Eglise Protestante Malgache en France - Paroisse de Nantes
Tonga soa
Fanovana farany :
sabotsy 5 jolay 2008
   

Ce site est référencé sur le
Top Chrétien Francophone
 
un compteur pour votre site

 

 
Tselika
Fanompoam-pivavahana manaraka
Taom-piasana vaovao 2008-2009 - Alahady 31 aogositra 2008 amin’ny 3 ora sasany tolakandro - ERF Nantes 15 bis place Edouard Normand
Fihaonan’ny malagasy

FOTOANA HIARAHANA AMIN’IREO ZANAK’AMPIELEZANA SY IREO FIKAMBANANA MALAGASY ETO NANTES (Katolika, Pangalana, Hetsika, Bezizo)

2 ora 30 Tolakandro : fantanjahan-tena (foot, basket, hand, boule, sns...) mifarana amin’ny fiarahana manao” pique- nique” ny hariva, samy mitondra ny anjarany ny rehetra ary hiarahana mizara am-pirahalahiana izany :

Petit Stade de Dervallières

Annexe du Procé

Rue des Dervallières

(Derrière le parc du Procé)

44000 Nantes

Aza misalasala misoratra anarana araka ny taratasy mipaingotra amin’ity mailaka ity sy miantso an’i

-  Josoa : 06 29 38 10 36 ( ou 02 40 70 38 16 ) na
-  Francis : 06 89 29 37 85 ( ou 02 51 44 89 79 )

Toriteny fiarahabana ny taona vaovao

Ho fiarahabana ny taona vaovao no sady ho fanapariahana ny tenin’Andriamanitra dia miezaka ny hanaparitaka, araka izay azo atao, amin’ny alalan’ny oronam-peo mitahiry ny toriteny isan’alahady izahay ato amin’ny tranonkala.



Toriteny alahady 13 janoary 2008 - Pasitera Ratsimahamaika Saholy


Isaorana ny mpanompon’Andriamanitra izay nandray ny feo nandritry ny fanompoam-pivavahana farany teo ka ny voninahitra ho an’Ilay Nahary izao tontolo izao.

Teraka - Naissance

Nohon’ ny fahasoavan’ ny Tompo dia fifaliana ho anay ny milaza aminareo ny fahaterahan’i LACROIX Tsiour Yohann tamin’ ny 16 mai 2007 teo.Salama tsara ny zaza ary ny reniny koa torak’ izany.

Mandram-panoratra

Rindra

Valin’ny fifidianana Diakona 2007

Faly mifandray amin’ny rehetra indray amin’ny anaran’ny Tompo.

Misaotra ny Tompo isika fa vita ny fotoana samihafa tamin’ny alahady 11 martsa lasa teo :

-  Fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra nisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo
-  Ny fivoriam-be voalohany tamin’ity taona ity
-  Ny fifidianana diakona

Ireo fotoana ireo dia isaorana ny Tompo fa notarihana sy natrehan’i pasitera RATSIMAHAMAIKA Saholy.

Indro ampitaina amintsika etoana ny anaran’ireo 15 mianadahy mianaka voafidy ho diakona eto amin’ny FPMA Nantes mandritra ny roa taona ho avy :

-  ANDRIAMAHADISON Ndriana
-  ANDRIAMAHADISON Maholy
-  ANDRIAMPENO Mbola
-  RADISON Christina
-  RADISON Tiana
-  RAJAONARISON Nadia
-  RAKOTORAHALAHY Elysé
-  RAMAROTAFIKA Rado
-  RANARIVELO Hanta
-  RANARIVELO Jean Pierre
-  RANDRIAMANGA Francis
-  RASOLOFOMAMONJY Josoa
-  RAZAFINDANDY Noro
-  RAZAFINDRAINIBE Aimée
-  RAZAFINTSALAMA Riana

Mbola ho avy ny fotoana hiarabàna ireo vao voafidy, ireo voafidy indray ary hisaorana ireo mpiara-miasa teo aloha, fa aoka samy hitondra am-bavaka ny tsirairay, izay nofinidin’ny Tompo hahefa ny asa fanompoana miandry ireo mpanompony.

"... Miorena tsara, aza miova, mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo." I Kor. 15.58

Mandram-pitrendry indray

Tiana

Hita ao @ tranokala
FPMA Ivry Famonjena
Fiangonana FPMA Ivry Famonjena
SVKFPMA
"Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina"Ohabolana 31 : 30b
Baiboly Malagasy: Tonga soa
Baiboly amin’ny dika teny malagasy - Takila samihafa ahafahana mijery, mitady, mandinika...ny soratra masina.
Fifanakalozan-kevitra farany

    Fanangonana hevitra
    alahady 24 septambra 2006
    nosoratan'i ranandria
    Hevitra voalohany

    Valio ity mesazy ity

Taratasy misokatra
    > Taratasy misokatra
    alarobia 18 janoary 2006
    merci firaisam pinoina topmpoko sady valisoa be oh ! tanora gasy feno sagesse benediction!!behoririka

Taratasy misokatra
    > Taratasy misokatra
    talata 6 desambra 2005
    nosoratan'i Ratiarison Roland

    Misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fahalavorarian’ny Zaikabe FPMA 2005 tany La Roche sur Yon. Misaotra eram-po ny tafo Nantes koa tamin’ny fandraisana sy ny fikarakarana tena nahafapo izay tsapanay ary hitanay fa nataonareo tamin’ny fitiavana tokoa, fa dia ny Tompo anie Homba anareo mandrakariva.

    Nahazo hery tokoa nandritry iny Zaikabe iny , fa dia Andriamanitra ny fiadanana ao amin’i Kristy Jesosy anie hitahiry sy hampitombo ao amin’ny Tsirairay ny TeninY voafafy nandritry iny Zaikabe iny.

    Dia hoan’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra

    Roland Ratiarison.


Taratasy misokatra
    > Taratasy misokatra
    sabotsy 19 novambra 2005

    Bravo à l’équipe de nantes pour son accueil très fraternel; Organisation impeccable!

    Pour le contenu des évènements: les"vaovaompiangonana"sont trop longs et déconcentrent les participants. MILLE FOIS MERCI AUX ORGANISATEURS DE NANTES


Taratasy misokatra
    > Taratasy misokatra
    sabotsy 19 novambra 2005
    nosoratan'i RAKOTOARISOA

    Tafo FPMA Nantes,

    Amin’ny anaran’ny birao faritany FPMA atsimo-atsinanana, sy amin’ny anaran’ny tafo FPMA Grenoble, ary amin’ny anaran’ny tenanay mivady manokana, dia maneho ny fisaorana feno dia feno an’Andriamanitra isika tamin’ny fikasàna tanteraka rehetra tamin’ny zaikabe FPMA nasionaly 2005, fa indrindra koa maneho ny fisaorana feno dia feno anareo FPMA Nantes sy ny faritany misy anareo ary ny vahoakan’Andriamanitra rehetra na avy aiza na avy aiza niara-niasa taminareo, ary tena nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny zavatra rehetra.

    Misy vakinteny mba tianay apetraka , mifanaraka tamin’ny zava-nisy izay tsapanay nandritran’iny zaikabe farany iny ao amin’ny Actes 14 : 21-27 indrindra fa ny verset 27

    Dia ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

    Jean-Jacques sy Nirina Rakotoarisoa Grenoble