Vokatry ny Sampana Mozika

Nanatanteraka ny vokatra voalohany tamin'ity taona 2015 ity ny sampana mozika eto amin'ny FPMA Nantes tamin'ny faha 21 Febroary 2015 lasa teo tao amin'ny Salle Bonnaire.

Nanafana ny lanonana tamin'izany ny tarika Hery J Gospel niaraka tamin'i Lalao Rasoarahona izay mpiangona eto amin'ny fiangonana no manatalenta amin'ny ireo karazan-kira maro. Nanampy ireo mpitendry mozika ihany koa i Rakotorahalahy Elysé izay tsy zoviana amintsika intsony ny talentany. Tsy latsa-danja koa anefa ireo zanaky ny fiangonana nitondra ny birikiny tamin'ny fitendrena hira vitsivitsy nandritry ny lanonana.

Isaorana lehibe ireo olona nanatrika sy izay nitondra am-bavaka tamin'ny fanatanterahana iny lanonana iny. Ary manantena fa mbola ho betsaka ny hetsika ho tanterahana eto anivon'ny fiangonana ho fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra irery ihany.