Fifaninanana Logo sy Hira Faneva
Ry
Havana,
Ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan'ny Tompo,
« Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran'i Kristy mba handrenesako ny toetrareo, fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara. » Fil. 1:27
Ao anatin'ny fankalazana ny Jobily faha-15 taonan'ny FPMA Nantes dia misy fifaninana hira faneva sy logo izay ho hampiasain'ny FPMA Nantes.
-
Iza avy no afaka mandray anjara ?
-
Misokatra ho an'izay rehetra manana talenta na amin'ny famoronan-kira na amin'ny fanaovan-tsary
-
-
Inona no fepetra momba ny logo ?
-
Tokony ahitana ny teny faneva nalaina tao amin'ny Filipiana 1 toko faha-27
-
Tsy tokony hisy « marque déposée »
-
-
Inona no fepetra momba ny hira faneva ?
-
Tokony ahitana ny teny faneva nalaina tao amin'ny Filipiana 1 toko faha-27 na ny fototra nangalana azy dia ny « fiovana hampandroso »
-
Tsy tokony hisy « droits d'auteur »
-
-
Aiza no alefa ?
-
Raha paositra : FPMA Nantes, 15 bis, Place Edouard Normand, 44000 Nantes
-
Raha e-mail : jb15@fpma-nantes.org
-
-
Inona avy ny supports ilaina ?
-
Ho an'ny hira : solfa na note misy ny tonony ary mozika arak'izay azo atao
-
Ho an'ny logo : efa « numérisé » arak'izay azo atao
-
-
Rahoviana ny daty farany fandraisana anjara?
-
Raha efa « numérique » ny support dia ny 27/03
-
Raha mbola ilaina havadika « numérique » dia ny 24/03
-
-
Iza no mifidy ary rahoviana ?
-
Ny fivoriam-be ny mpandray no hisafidy ny Alahady 28/03/2010 ho avy izao
-
-
Misy mari-pakasitrahana omena ny mpandray anjara
Raha mila fanampim-panazavana dia aza misalasala manoratra : rado@fpma-nantes.org
Manonona ny fiadananan'ny Tompo ho aminareo mandrakariva,
|
Saholy Andrianasolo Mpitandrina Mpitandrina Mpandrindra FPMA Nantes |
Rado Ramarotafika Filoha Mpanampy FPMA Nantes |

Précédent : Fankalazana Jobily 15 taona

