|
FOTOANA HIARAHANA AMIN’IREO ZANAK’AMPIELEZANA SY IREO FIKAMBANANA MALAGASY ETO NANTES (Katolika, Pangalana, Hetsika, Bezizo)
2 ora 30 Tolakandro : fantanjahan-tena (foot, basket, hand, boule, sns...) mifarana amin’ny fiarahana manao” pique- nique” ny hariva, samy mitondra ny anjarany ny rehetra ary hiarahana mizara am-pirahalahiana izany :
Petit Stade de Dervallières
Annexe du Procé
Rue des Dervallières
(Derrière le parc du Procé)
44000 Nantes
Aza misalasala misoratra anarana araka ny taratasy mipaingotra amin’ity mailaka ity sy miantso an’i
Josoa : 06 29 38 10 36 ( ou 02 40 70 38 16 ) na
Francis : 06 89 29 37 85 ( ou 02 51 44 89 79 )
Ho fiarahabana ny taona vaovao no sady ho fanapariahana ny tenin’Andriamanitra dia miezaka ny hanaparitaka, araka izay azo atao, amin’ny alalan’ny oronam-peo mitahiry ny toriteny isan’alahady izahay ato amin’ny tranonkala.
Toriteny alahady 13 janoary 2008 - Pasitera Ratsimahamaika Saholy
Isaorana ny mpanompon’Andriamanitra izay nandray ny feo nandritry ny fanompoam-pivavahana farany teo ka ny voninahitra ho an’Ilay Nahary izao tontolo izao.
Nohon’ ny fahasoavan’ ny Tompo dia fifaliana ho anay ny milaza aminareo ny fahaterahan’i LACROIX Tsiour Yohann tamin’ ny 16 mai 2007 teo.Salama tsara ny zaza ary ny reniny koa torak’ izany.
Mandram-panoratra
Rindra
Faly mifandray amin’ny rehetra indray amin’ny anaran’ny Tompo.
Misaotra ny Tompo isika fa vita ny fotoana samihafa tamin’ny alahady 11 martsa lasa teo :
Fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra nisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo
Ny fivoriam-be voalohany tamin’ity taona ity
Ny fifidianana diakona
Ireo fotoana ireo dia isaorana ny Tompo fa notarihana sy natrehan’i pasitera RATSIMAHAMAIKA Saholy.
Indro ampitaina amintsika etoana ny anaran’ireo 15 mianadahy mianaka voafidy ho diakona eto amin’ny FPMA Nantes mandritra ny roa taona ho avy :
ANDRIAMAHADISON Ndriana
ANDRIAMAHADISON Maholy
ANDRIAMPENO Mbola
RADISON Christina
RADISON Tiana
RAJAONARISON Nadia
RAKOTORAHALAHY Elysé
RAMAROTAFIKA Rado
RANARIVELO Hanta
RANARIVELO Jean Pierre
RANDRIAMANGA Francis
RASOLOFOMAMONJY Josoa
RAZAFINDANDY Noro
RAZAFINDRAINIBE Aimée
RAZAFINTSALAMA Riana
Mbola ho avy ny fotoana hiarabàna ireo vao voafidy, ireo voafidy indray ary hisaorana ireo mpiara-miasa teo aloha, fa aoka samy hitondra am-bavaka ny tsirairay, izay nofinidin’ny Tompo hahefa ny asa fanompoana miandry ireo mpanompony.
"... Miorena tsara, aza miova, mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo." I Kor. 15.58
Mandram-pitrendry indray
Tiana