Eglise Protestante Malgache en France - Paroisse de Nantes
Tonga soa
Fanovana farany :
sabotsy 5 jolay 2008
   

Ce site est référencé sur le
Top Chrétien Francophone
 
un compteur pour votre site

 

 
Tselika
Fanompoam-pivavahana manaraka
Taom-piasana vaovao 2008-2009 - Alahady 31 aogositra 2008 amin’ny 3 ora sasany tolakandro - ERF Nantes 15 bis place Edouard Normand
Fihaonan’ny malagasy

FOTOANA HIARAHANA AMIN’IREO ZANAK’AMPIELEZANA SY IREO FIKAMBANANA MALAGASY ETO NANTES (Katolika, Pangalana, Hetsika, Bezizo)

2 ora 30 Tolakandro : fantanjahan-tena (foot, basket, hand, boule, sns...) mifarana amin’ny fiarahana manao” pique- nique” ny hariva, samy mitondra ny anjarany ny rehetra ary hiarahana mizara am-pirahalahiana izany :

Petit Stade de Dervallières

Annexe du Procé

Rue des Dervallières

(Derrière le parc du Procé)

44000 Nantes

Aza misalasala misoratra anarana araka ny taratasy mipaingotra amin’ity mailaka ity sy miantso an’i

-  Josoa : 06 29 38 10 36 ( ou 02 40 70 38 16 ) na
-  Francis : 06 89 29 37 85 ( ou 02 51 44 89 79 )

Toriteny fiarahabana ny taona vaovao

Ho fiarahabana ny taona vaovao no sady ho fanapariahana ny tenin’Andriamanitra dia miezaka ny hanaparitaka, araka izay azo atao, amin’ny alalan’ny oronam-peo mitahiry ny toriteny isan’alahady izahay ato amin’ny tranonkala.



Toriteny alahady 13 janoary 2008 - Pasitera Ratsimahamaika Saholy


Isaorana ny mpanompon’Andriamanitra izay nandray ny feo nandritry ny fanompoam-pivavahana farany teo ka ny voninahitra ho an’Ilay Nahary izao tontolo izao.

Teraka - Naissance

Nohon’ ny fahasoavan’ ny Tompo dia fifaliana ho anay ny milaza aminareo ny fahaterahan’i LACROIX Tsiour Yohann tamin’ ny 16 mai 2007 teo.Salama tsara ny zaza ary ny reniny koa torak’ izany.

Mandram-panoratra

Rindra

Valin’ny fifidianana Diakona 2007

Faly mifandray amin’ny rehetra indray amin’ny anaran’ny Tompo.

Misaotra ny Tompo isika fa vita ny fotoana samihafa tamin’ny alahady 11 martsa lasa teo :

-  Fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra nisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo
-  Ny fivoriam-be voalohany tamin’ity taona ity
-  Ny fifidianana diakona

Ireo fotoana ireo dia isaorana ny Tompo fa notarihana sy natrehan’i pasitera RATSIMAHAMAIKA Saholy.

Indro ampitaina amintsika etoana ny anaran’ireo 15 mianadahy mianaka voafidy ho diakona eto amin’ny FPMA Nantes mandritra ny roa taona ho avy :

-  ANDRIAMAHADISON Ndriana
-  ANDRIAMAHADISON Maholy
-  ANDRIAMPENO Mbola
-  RADISON Christina
-  RADISON Tiana
-  RAJAONARISON Nadia
-  RAKOTORAHALAHY Elysé
-  RAMAROTAFIKA Rado
-  RANARIVELO Hanta
-  RANARIVELO Jean Pierre
-  RANDRIAMANGA Francis
-  RASOLOFOMAMONJY Josoa
-  RAZAFINDANDY Noro
-  RAZAFINDRAINIBE Aimée
-  RAZAFINTSALAMA Riana

Mbola ho avy ny fotoana hiarabàna ireo vao voafidy, ireo voafidy indray ary hisaorana ireo mpiara-miasa teo aloha, fa aoka samy hitondra am-bavaka ny tsirairay, izay nofinidin’ny Tompo hahefa ny asa fanompoana miandry ireo mpanompony.

"... Miorena tsara, aza miova, mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo." I Kor. 15.58

Mandram-pitrendry indray

Tiana

Hita ao @ tranokala
FPMA Ivry Famonjena
Fiangonana FPMA Ivry Famonjena
SVKFPMA
"Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina"Ohabolana 31 : 30b
Baiboly Malagasy: Tonga soa
Baiboly amin’ny dika teny malagasy - Takila samihafa ahafahana mijery, mitady, mandinika...ny soratra masina.
Zava-misy :