Ireo tanora 12 ho raisina ho mpandray amin’ity taona ity

Fahasoavana lehibe manokana, no narotsaky ny Tompo amintsika Fiangonana Protestanta Malagasy eto Nantes, tamin’ity taona 2025 ity, fa ankoatran’ny fankalazantsika ny faha-telopolo taona nijoroantsika, dia nijoro koa, tanora 12 mianadahy, nanamafy ny nanaovam-batisa azy ireo, anekeny fa Jeso Kristy no Tompo sy Mpamonjy azy.

Hanatanteraka izany fanekena izany, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana izy ireo, amin’ny Alahady Pentekôsta 08 Jiona izao.

Tonga ato an-tsaina ny Tenin’ny Soratra Masina manao hoe : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. » 3 Jaona 1. 4

Feno fifaliana sy fankasitrahana ny fo amam-panahintsika Fiangonana ny amin’izany, ka dia mankalaza, midera, manome voninahitra an’Andriamanitra.

Ny vavaka ho asandratsika, dia ny iaravon’ny Tompo sy itahirizaNy azy ireo ho vavolombeloNy mahatoky, hatramin’ny fara fofonainy, hatramin’ny fiavian’i Jeso Tompontsika eny amin’ny rahon’ny lanitra. Amen.

Ny Mpitandrina mpandrindra ny Faritany Afovoany Andrefana
Hanitra Raobinarison

Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina – 12 janoary izao

Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina

Efa fantatsika ny vina lehiben’ny FPMA dia ny mahakasika ny Vina Mpitandrina Matihanina izay maniry mba ho tonga  80% ny isan’ny Mpitandrina matihanina amin’ity taona 2025. Mitaky fanolora-tena lehibe izany  ry Havana ary koa fiombonana feno amintsika tsirairay avy.

Ka noho izany , anisan’ny fanapahan-kevitrin’ny Synoda lehibe izay natao teto amin’ny faritr’i Nantes tamin’ny volana novambra teo ny hanokanana fotoam-bavaka sy fifadian-kanina ary alim-bavaka amin’ity taona ity ho fanehoana ny fiombonana feno eo anivon’ny Fitandremana 39 eto amin’ny FPMA, ary koa hametrahana tanteraka eo am-pelantanan’ny Tompo ny Vina sy ny asa rehetra miaraka amin’ireo mpanompony isan’ambaratonga ary ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.

Ny Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina dia ho tanterahina ny 12 janoary, 13 aprily, 29 jona ary 12 oktobra 2025 manerana ny FPMA ary hisy koa alim bavaka amin’ny zoma masina (18 aprily) sy mialohan’ny alahadin’ny Reformasiona (24 oktobra).

Ny alahady 12 janoary izao no fotoana hanombohana ny fotoam-bavaka sy ny fifadian-kanina izay manomboka amin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 3 ora tolakandro araky ny loha-hevitra :« le Grand Pardon » izay nalaina avy amin’ny Hebreo 12.1.

Ho antsika eto amin’ny Fitandremana  Nantes dia tsy afaka ny hanantateraka izany amin’ireo ora ireo isika nohon’ny antony tsy hahazoantsika trano mialoha ao amin’ny EPULA,  kanefa rehefa nidinika niaraka tamin’ny Filohan’ny FPMA, Rév. Dr. RASOLONDRAIBE Seth izay ho tonga amin’ny alahady hitarika ny fotoana sy hitondra ny vatsim-panahy dia ho tanterahina mandrintra ny fanompoam-pivavahana izay manomboka amin’ny 15h45 ao amin’ny Fiangonana lehibe izany.

Koa manentana antsika ho tonga maro ho fanehoana ny fiombonantsika sy ny fametrahantsika tanteraka amin’ny Lohan’ny Fiangonana ny vina rehetra eto amin’ny FPMA Nantes sy ny FPMA manontolo.

Ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany.