Ireo tanora 12 ho raisina ho mpandray amin’ity taona ity

Fahasoavana lehibe manokana, no narotsaky ny Tompo amintsika Fiangonana Protestanta Malagasy eto Nantes, tamin’ity taona 2025 ity, fa ankoatran’ny fankalazantsika ny faha-telopolo taona nijoroantsika, dia nijoro koa, tanora 12 mianadahy, nanamafy ny nanaovam-batisa azy ireo, anekeny fa Jeso Kristy no Tompo sy Mpamonjy azy.

Hanatanteraka izany fanekena izany, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana izy ireo, amin’ny Alahady Pentekôsta 08 Jiona izao.

Tonga ato an-tsaina ny Tenin’ny Soratra Masina manao hoe : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. » 3 Jaona 1. 4

Feno fifaliana sy fankasitrahana ny fo amam-panahintsika Fiangonana ny amin’izany, ka dia mankalaza, midera, manome voninahitra an’Andriamanitra.

Ny vavaka ho asandratsika, dia ny iaravon’ny Tompo sy itahirizaNy azy ireo ho vavolombeloNy mahatoky, hatramin’ny fara fofonainy, hatramin’ny fiavian’i Jeso Tompontsika eny amin’ny rahon’ny lanitra. Amen.

Ny Mpitandrina mpandrindra ny Faritany Afovoany Andrefana
Hanitra Raobinarison

Birao 2023-2025

  • Filoha : Radison Tiana
  • Filoha mpanampy : Rabarijaona Olivia
  • Mpitantam-bola : Bristeau Noro
  • Mpitantsoratra : Rabeson Finaritra
  • Mpitantsoratra mpanampy : Andriampeno Mbola

Diakona amperin’asa 2023-2025

Sokajy 1

  • Andriampeno Niaina
  • Andriampeno Sahondra
  • Rabarijaona Olivia
  • Rasoazananoro Berthine

Sokajy 2

  • Palmont Jean Nicaise
  • Palmont Sandra
  • Rabeson Finaritra
  • Rabeson Hoby

Sokajy 3

  • Andriampeno Mbolatiana
  • Bristeau Noroarisoa
  • Radison Christina
  • Radison Tiana

Ireo sokajy ireo moa dia entina amaritana fotsiny ny fotoana hifandimbiasan’izy ireo amin’ny asa ao am-piangonana.