Le congrès a eu lieu les 26-27-28 septembre à La Grande Borne – 41160 La ville-aux-clercs.
Le thème de ce congrès : « la Grâce de Dieu et le combat chrétien » tiré du verset Luc 13:24 « Efforcez-vous d’entrer par la porte étroite. Car, je vous le dis, beaucoup chercheront à entrer, et ne le pourront pas. »
La délégation de la FPMA Nantes etait composée de 14 paroissiens.
Merci aux paroissiens de la FPMA Tours pour leur accueil chaleureux, nous avions pu passer un très beau week-end de communion autour du thème qui a été choisi cette année.
Rendez-vous à l’année prochaine, à Poitiers !
La vie de l’église
Ireo tanora 12 ho raisina ho mpandray amin’ity taona ity
Fahasoavana lehibe manokana, no narotsaky ny Tompo amintsika Fiangonana Protestanta Malagasy eto Nantes, tamin’ity taona 2025 ity, fa ankoatran’ny fankalazantsika ny faha-telopolo taona nijoroantsika, dia nijoro koa, tanora 12 mianadahy, nanamafy ny nanaovam-batisa azy ireo, anekeny fa Jeso Kristy no Tompo sy Mpamonjy azy.
Hanatanteraka izany fanekena izany, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana izy ireo, amin’ny Alahady Pentekôsta 08 Jiona izao.
Tonga ato an-tsaina ny Tenin’ny Soratra Masina manao hoe : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. » 3 Jaona 1. 4
Feno fifaliana sy fankasitrahana ny fo amam-panahintsika Fiangonana ny amin’izany, ka dia mankalaza, midera, manome voninahitra an’Andriamanitra.
Ny vavaka ho asandratsika, dia ny iaravon’ny Tompo sy itahirizaNy azy ireo ho vavolombeloNy mahatoky, hatramin’ny fara fofonainy, hatramin’ny fiavian’i Jeso Tompontsika eny amin’ny rahon’ny lanitra. Amen.
Ny Mpitandrina mpandrindra ny Faritany Afovoany Andrefana
Hanitra Raobinarison




Famangian’ny Mpitandrina RAMAROSON Harinomena teto Nantes voalohany – 18/04
Tonga namangy ny Fitandremana FPMA Nantes ny mpitandrina RAMAROSON Harinomena tamin’ny zoma 18 aprily ka hatramin’ny alahady 20 aprily lasa teo.
Nitarika ny fanompoam-pivavahana zoma masina teto amin’ny fiangonana izy.


Nitarika ny fanompoam-pivavahana tamin’ny alahadin’ny andro Paska ihany koa izy.




Famangian’ny Mpitandrina RASOLONJATOVO Henintsoa – Birao Foibe – 09/02/25
Fanazavàna nataon’ny mpitandrina tamin’ireo mpiangona tonga niangona, mikasika ireo asa sy andraikitra maro sahanin’ny mpitandrina matihanina eo anivon’ny fiangonana, ho an’ny mpianakavin’ny finoana, eo anivon’ny fiaraha-miasan’ny mpitandrina eto amin’ny FPMA, ambarantonga faritany sy nasiônaly.
Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina – 12 janoary izao
Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina
Efa fantatsika ny vina lehiben’ny FPMA dia ny mahakasika ny Vina Mpitandrina Matihanina izay maniry mba ho tonga 80% ny isan’ny Mpitandrina matihanina amin’ity taona 2025. Mitaky fanolora-tena lehibe izany ry Havana ary koa fiombonana feno amintsika tsirairay avy.
Ka noho izany , anisan’ny fanapahan-kevitrin’ny Synoda lehibe izay natao teto amin’ny faritr’i Nantes tamin’ny volana novambra teo ny hanokanana fotoam-bavaka sy fifadian-kanina ary alim-bavaka amin’ity taona ity ho fanehoana ny fiombonana feno eo anivon’ny Fitandremana 39 eto amin’ny FPMA, ary koa hametrahana tanteraka eo am-pelantanan’ny Tompo ny Vina sy ny asa rehetra miaraka amin’ireo mpanompony isan’ambaratonga ary ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.
Ny Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina dia ho tanterahina ny 12 janoary, 13 aprily, 29 jona ary 12 oktobra 2025 manerana ny FPMA ary hisy koa alim bavaka amin’ny zoma masina (18 aprily) sy mialohan’ny alahadin’ny Reformasiona (24 oktobra).
Ny alahady 12 janoary izao no fotoana hanombohana ny fotoam-bavaka sy ny fifadian-kanina izay manomboka amin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 3 ora tolakandro araky ny loha-hevitra :« le Grand Pardon » izay nalaina avy amin’ny Hebreo 12.1.
Ho antsika eto amin’ny Fitandremana Nantes dia tsy afaka ny hanantateraka izany amin’ireo ora ireo isika nohon’ny antony tsy hahazoantsika trano mialoha ao amin’ny EPULA, kanefa rehefa nidinika niaraka tamin’ny Filohan’ny FPMA, Rév. Dr. RASOLONDRAIBE Seth izay ho tonga amin’ny alahady hitarika ny fotoana sy hitondra ny vatsim-panahy dia ho tanterahina mandrintra ny fanompoam-pivavahana izay manomboka amin’ny 15h45 ao amin’ny Fiangonana lehibe izany.
Koa manentana antsika ho tonga maro ho fanehoana ny fiombonantsika sy ny fametrahantsika tanteraka amin’ny Lohan’ny Fiangonana ny vina rehetra eto amin’ny FPMA Nantes sy ny FPMA manontolo.
Ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany.
Hafatry ny synôda faha 39, natao teto Nantes
Azonao alaina ato ny hafatry ny synôda lehibe an’ny FPMA izay natao teto Nantes ny 01 – 03 novambra lasa teo.
Lien de téléchargement

