Diakona amperin’asa 2023-2025

Sokajy 1

  • Andriampeno Niaina
  • Andriampeno Sahondra
  • Rabarijaona Olivia
  • Rasoazananoro Berthine

Sokajy 2

  • Palmont Jean Nicaise
  • Palmont Sandra
  • Rabeson Finaritra
  • Rabeson Hoby

Sokajy 3

  • Andriampeno Mbolatiana
  • Bristeau Noroarisoa
  • Radison Christina
  • Radison Tiana

Ireo sokajy ireo moa dia entina amaritana fotsiny ny fotoana hifandimbiasan’izy ireo amin’ny asa ao am-piangonana.

Fanompoam-pivavahana FFKM Nantes

FFKM Nantes

“Mino izany ve ianao?” Jaona 11.26

Isaorana an’Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny fotoampivavahana FFKM ny Alahady 26 janoary lasa teo.
Maro ireo solotenan’ny fiangonana kristianina samihafa eto Nantes no tonga nanatrika ary koa nandray anjara : toy ny fiangonana Katôlika Nantes, ny FJKM Nantes, ny FPMA Nantes ary koa ny FLM Nantes.


Araka ny fandaminana efa nataon’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny FFKM Nantes dia nifarimbonan’ireo solotena avy amin’ny fiangonana Katôlika sy FPMA Nantes ny nitarika ny fotoana tamin’izany.
Ny filohan’ny FPMA Nantes Radison Tiana sy ny mpiara-miasa aminy, Rabarijaona Olivia no nitarika ny fotoana niaraka tamin’ny diakona avy ao amin’ny fiangonana Katôlika Randriamanantsoa Gérard.
I Mopera RAZAFIMAHANDRY Gérard no nitondra ny vatsim-panahy izay notronin’ny Mopera Rakotomalala Edmond tamin’ny fitarihana samihafa. Ny solotena ao amin’ny fiangonana FJKM Nantes sy ny FLM Nantes kosa no nitondra ny tenin’Andriamanitra. Ary ny vavaka fangatahana kosa dia nifandimbiasan’ireo solotena isam-piangonana tsirairay.

Ary mbola ho fanamafisana izany firaisana ao amin’ny Tompo izany dia nifarimbona nanomana hira iray ireo antoko mpihira ao amin’ny FFKM Nantes izay niarahan’izy ireo niredona taorian’ny toriteny.

Taorian’ny fanompoam-pivavahana moa dia nofaranana tamin’ny fiarahana manala hetaheta sy fihinanana sakafo samihafa ny fotoana, izay nafahan’ny rehetre nifampiresaka sy nifampilaza vaovao.

Ny fotoana toy itony moa dia efa fanao indroa isan-taona eto Nantes sy ny manodidina ka amin’ny volana jona indray ny fotoana manaraka.

Alahady 26 janoary 2025 : Fotoampivavahana FFKM

Alahady 26 janoary 2025 : Fotoampivavahana FFKM, hiarahana amin’ny Fiangonana rahavavy malagasy hafa eto Nantes. Manomboka  amin’ny 16h00 ( Efatra ora tolak’andro) ny fotoana ary isika FPMA no mandray;

Araka ny fanao mahazatra dia hisy fiarahana miala hetaheta aorian’ny Fotoampivavahana. Noho izany dia, manasa antsika hitondra ranom-boankazo sy tsakitsaky mamy na masira (hatao mafonjafonja) hifampizarana amin’ireo olona rehetra tonga hiombona amin’ny fotoana.

Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina – 12 janoary izao

Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina

Efa fantatsika ny vina lehiben’ny FPMA dia ny mahakasika ny Vina Mpitandrina Matihanina izay maniry mba ho tonga  80% ny isan’ny Mpitandrina matihanina amin’ity taona 2025. Mitaky fanolora-tena lehibe izany  ry Havana ary koa fiombonana feno amintsika tsirairay avy.

Ka noho izany , anisan’ny fanapahan-kevitrin’ny Synoda lehibe izay natao teto amin’ny faritr’i Nantes tamin’ny volana novambra teo ny hanokanana fotoam-bavaka sy fifadian-kanina ary alim-bavaka amin’ity taona ity ho fanehoana ny fiombonana feno eo anivon’ny Fitandremana 39 eto amin’ny FPMA, ary koa hametrahana tanteraka eo am-pelantanan’ny Tompo ny Vina sy ny asa rehetra miaraka amin’ireo mpanompony isan’ambaratonga ary ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.

Ny Fotoam-bavaka sy fifadian-kanina dia ho tanterahina ny 12 janoary, 13 aprily, 29 jona ary 12 oktobra 2025 manerana ny FPMA ary hisy koa alim bavaka amin’ny zoma masina (18 aprily) sy mialohan’ny alahadin’ny Reformasiona (24 oktobra).

Ny alahady 12 janoary izao no fotoana hanombohana ny fotoam-bavaka sy ny fifadian-kanina izay manomboka amin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 3 ora tolakandro araky ny loha-hevitra :« le Grand Pardon » izay nalaina avy amin’ny Hebreo 12.1.

Ho antsika eto amin’ny Fitandremana  Nantes dia tsy afaka ny hanantateraka izany amin’ireo ora ireo isika nohon’ny antony tsy hahazoantsika trano mialoha ao amin’ny EPULA,  kanefa rehefa nidinika niaraka tamin’ny Filohan’ny FPMA, Rév. Dr. RASOLONDRAIBE Seth izay ho tonga amin’ny alahady hitarika ny fotoana sy hitondra ny vatsim-panahy dia ho tanterahina mandrintra ny fanompoam-pivavahana izay manomboka amin’ny 15h45 ao amin’ny Fiangonana lehibe izany.

Koa manentana antsika ho tonga maro ho fanehoana ny fiombonantsika sy ny fametrahantsika tanteraka amin’ny Lohan’ny Fiangonana ny vina rehetra eto amin’ny FPMA Nantes sy ny FPMA manontolo.

Ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany.