Le comité paroissial

« Accueillez-vous donc les uns les autres, comme Christ vous a accueillis, pour la gloire de Dieu. » Romain 15.7

Chers amis en Christ,

Bienvenue sur notre site. Que la Paix et la Grâce du Seigneur vous soient donnés de la part de notre Seigneur Jésus Christ !

Nous espérons qu’à travers cet espace, vous allez avoir plus de visibilité sur les activités de notre église et ses sections ainsi que le lien de la FPMA nationale.
Paul par cette lettre adressée aux Romains nous exhorte à accueillir les uns les autres ; cet appel, nous avons entendu en nous engageant dans notre Projet d’Église 2024-2025 : avec un accueil plus personnalisé, accueillir à nouveau ceux qui étaient partis, œuvrer dans les associations locales, accompagner les étudiants, aider les plus faibles, …
L’autre grand projet de notre église est d’avoir un ou une Pasteur(e) salarié(e), une démarche qui s’associe avec celle de la FPMA qui est d’avoir 80 % des Pasteurs salariés en 2025 et de financer les futurs Pasteurs de la FPMA.
Notre église locale est sur une belle lancée avec les promesses de don des Paroissiens qui se concrétisent petit à petit et pour la Gloire de notre Seigneur.
Nous encourageons les membres de notre église à ce projet de DON de SOI car  » … La moisson est abondante, mais les ouvriers peu nombreux. Priez donc le Seigneur à qui appartient la moisson d’envoyer des ouvriers pour moissonner… » Matthieu 9 (37 – 38)
Nous sommes heureux de vous accueillir les dimanches à 15h45 au Temple et aux différentes activités de l’Eglise. Venez nous rejoindre pour louer le Seigneur ensemble dans une ambiance conviviale et d’amitié fraternelle.
Soyez richement bénis !

Tiana RADISON
Président

Vaovaom-piangonana 05/05/2024

  • Antoko Mpihira ANL : 11 mianadahy no handeha hanatanteraka ny Choeuruni any Toulouse ny alakamisy 9 ka hatramin’ny alahady 12 may. Koa mangataka fitondrana am-bavaka ny ANL
  • Sekoly Alahady : alatsinainy 20 may : fitsangantsanganana hanasana ny fiangonana sy ny tapaka sy namana. Mbola ho lazaina ny ora sy ny toerana
  • Fifohazana : manentana hatrany amin’ny fisoratana anarana any amin’ny mpiandraikitra hanatrika ny isan-kerintaona any Giel manomboka amin’ny 15 jolay ka hatramin’ny 21 jolay

Vaovaom-piangonana 28/04/2024

  • Fifohazana : manentana hatrany antsika mikasa hanatrika ny isan-kerintaona any Giel hisoratra anarana any amin’ny mpiandraikitra : Mbola Andriampeno. Hanomboka ny alatsinainy 15 jolay ary hifarana ny alahady 21 jolay ny fotoana
  • Antoko Mpihira :
    « Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. » Tantara I – 16:9
    Efa eo am-piomanana amin’ny dia hamonjy ny ChoeurUni 2024 any Villemur-sur-Tarn, tanàna manodidina an’i Toulouse, amin’ny 9-12 mey ho avy izao ny sampana ANL ankehitriny.
    Hisy 11 mianadahy avy eto amin’ny ANL no hamonjy izany fihaonam-be izany.
    Toy ny mahazatra, ao anatin’izany fihaonam-be izany dia hisy ny toriteny an-kira lehibe izay hatao ny sabotsy 11 mey.
    Misokatra ho an’ny mpiangona ivelan’ny Sampana ny sakafo hariva sabotsy 11 mey sy ny sakafo atoandro alahady 12 mey. Koa raha misy amintsika maniry hanatrika ny fotoana ka hisakafo dia angatahana izy ireo hanatona avy hatrany ny biraon’ny ANL azafady.
    Mametraka feno izao fihaonam-be izao eo ambany fitantanan’ny Tompo, ny dian’ireo mpizaika, ny fanomanana rehetra, ny fitoriana izay hataon’ireo antoko mpihira

Vaovaom-piangonana 21/04/2024

Fiarahabana :
– Pasitera ANDRIANASOLO Saholy
– Mpiangona roa vao tonga nanatrika ny fotoana. Ny iray mandalo avy any amin’ny FPMA Nice, ary ny iray mipetraka any Angers
– Ny Mpiangona rehetra

Fisaorana ny Tompo nohon’ny fahavitan’ny alim-bavaka tamin’ny asabotsy 20 aprily

Vaovao avy amin’ny Sampana :
– Antoko Mpihira Antsan’ny Lanitra : mitohy ny fianaran-kira, ny alarobia any antokantranon’i Mamy & Nadia manomboka amin’ny 19h00 ; Ary ny zoma hariva dia any amin’ny Salle Annick Vidal – 30 avenue des Batignolles manomboka amin’ny 19h00 ihany koa
– Fifohazana : Misy asa sy fampaherezana aorian’ny fotoam-pivavahana anio. Ary manohy manentana ny amin’ny fisoratana anarana hanatrika ny isankerin-taonan’ny Sampana Fifohazana FPMA izay hatao any Giel ny 15 hatramin’ny 21 jolay

Vaovaon’ny Fiangonana :
– Ny alakamisy 25 aprily 2024 : Fiombonam-bavaka an-telefaonina, amin’ny 21h30
– Ny fanompoam-pivavahana manaraka dia amin’ny alahady 28 aprily manomboka amin’ny 15h45 eto amin’ny Fiangonana lehibe mitohy amin’ny ankatokin’ny Mpandray ho fanomanam-panahy

Vaovaom-piangonana 14/04/2024

Ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahaosavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Tompo Lohan’ny Fiangonana.

Fiarahabana :
– Pasitera ANDRIANOMENJANAHARY Solo, Mpitandrina avy any amin’ny FPMA Vatofehizoro izay tonga namangy ny FPMA Nantes, nitondra ny vatsim-panahy
– Ny Sampana Fifohazana amin’izao alahadim-bokatra izao
– Ny Mpiangona rehetra

Firariantsoa sy fampaherezana ho an’i Pasitera ANDRIANOMENJANAHARY Solo amin’ny fanohizana ny asan’ny Tompo, fiarahabàna sy fisaorana ihany koa ho an’ny Birao, Komity ary ny Mpiangona any amin’ny FPMA Vatofehizoro

Fisaorana ho an’ny Sampana Fifohazana, ny antoko mpihira Antsan’ny Lanitra sy ny izay nandray anjara rehetra tamin’ny fanomanana sy fandraisana anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana.

Vaovao avy amin’ny Sampana :
– Antoko Mpihira Antsan’ny Lanitra : mitohy ny fianaran-kira isakin’ny zoma hariva – Manasa ny rehetra hanatrika ny antsam-panahy izay hatao any Toulouse ny asabotsy 11 mey mandritra ny ChoeurUni
– Fifohazana : Misy asa sy fampaherezana amin’ny alahady heriny aorian’ny fotoam-pivavahana
– Manasa sy manentana ny amin’ny fisoratana anarana hanatrika ny isankerin-taonan’ny Sampana izay hatao any Giel ny 15 hatramin’ny 21 jolay

Vaovaon’ny Fiangonana :
– Asaina nijanona ny Mpiangona taorian’ny fotoana hanatrika ny fampianarana sy dinika niarahana tamin’i Pasitera ANDRIANOMENJANAHARY Solo
– Indroa ny rakitra : ny voalohany ho an’ny Sampana Fifohazana entina mampandroso ny asan’ny Sampana ary ny faharoa ho an’ny Fiangonana
– Ny alakamisy 18 aprily 2024 : Fiombonam-bavaka an-telefaonina, amin’ny 21h30
– Ny fanompoam-pivavahana manaraka dia amin’ny alahady 21 aprily manomboka amin’ny 15h45 eto amin’ny Fiangonana lehibe
– Ny asabotsy 20 aprily 2024 : Alim-bavaka, amin’ny alalan’ny Zoom amin’ny 20h00

Ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany !

Ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo Lohan’ny Fiangonana

Ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany !