« Andriamanitro ianao ka hidera Anao aho. Eny Andriamanitro ka hanandratra anao aho » Salamo 118.28

Ny Sampana Fifohazana teto amin’ny Fitandremana FPMA Nantes dia niforona tamin’ny taona 2017 niaraka tamin’ireo ireo Mpiandry roa natokana, ary Mpiandry iray noraisin-tànana, tamin’ny taona 2016.

Ny Mpiandry dia miofana mandrindra ny roa taona alohan’ny hanokanana azy.

Ny fanompoan’ny mpiandry dia fanompoana ho fampeherezana. Izany dia tanterahina amin’ny alàlan’ny:

1-Tenin’Andriamanitra : miaina isan’andro sy mizara ny tenin’Andriamanitra.

2-Vavaka : mivavaka araky ny teny ao amin’ny Efesiana 6.18
-Ho fitondràna ny hafa eo amin’ny Tompo (Intercession),
-Ho fanasitranana ny marary sy ho famoahana demonia
-Ho fampaherezana ny tsirairay sy ny fiangonana manontolo.

3-Diakonia
– famangiana ny marary sy fampaherezana ireo fianakaviana mila izany
– Fanaovana ny asa sy fampaherezana : Ny « asa sy fampaherezana » dia asa avy amin’Andriamanitra araky ny teny hita ao amin’ny Marka 16 : 15-20 indrindra ny and 17. Noho izany dia ny mpiandry dia olona nanolo-tena hanaiky hampiasain’Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony.

Ny tetik’asa eto amin’ny FPMA Nantes
– Asa sy fampaherezna isaky ny alahady faha telo ao am-piangonana EPULA aorian’ny fanompoam-pivavahana ary fampianarana sy fiomanana amin’ny asa sy fampaherezana ny alahady faha telo maraina amin’ny 11h.
– Famangiana tafo eto amin’ny Faritany Afovoany ny alahady faha roa sy faha telo raha ilaina
– Fiombonam-bavaka isaky ny zoma amin’ny 21h amin’ny alalan’ny zoom
– Fandrindrana ny fanompoam-pivavahana indray mandeha isa-taona sady alahadim-bokatra.

Ny Birao
Filoha : Andriampeno Mbola
Mpitantsoratra : Rasoamanana Mireille
Mptantam-bola : Grinwald Hantamalala