Fotoam-pamaranana 2024-2025

Notontosaina tany Angers ny 06 jolay lasa teo ny fanompoam-pivavahana famaranana ny taom-pianarana 2024-2025. Ny fotoana dia natao tao amin’ny Eglise Croix de Maine izay notarihin’ny Rév. Dr. Rasolondraibe Seth, filohan’ny FPMA, nitondra ny vatsim-panahy sy nampandray ny mpiangona.

Izany fotoana izany dia nitohy tamin’ny fiaraha-misakafon’ny mpiangona rehetra tsy ankanavaka izay nifampizara tao anatin’ny firahalahiana ny vatsy nentin’ny tsirairay, ary nahafahana nanasa ihany koa ireo mpanotrona avy ao Angers.

Nisy koa ny fotoana nanaovana kilalao maro samihafa manodidina ny fahalalàna ny baiboly, narahan’ny fitsangatsanganana nanodidina ny Lac de Maine ary nofaranana tamin’ny karaoké tao anatin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.