Fotoam-pamaranana 2024-2025

Notontosaina tany Angers ny 06 jolay lasa teo ny fanompoam-pivavahana famaranana ny taom-pianarana 2024-2025. Ny fotoana dia natao tao amin’ny Eglise Croix de Maine izay notarihin’ny Rév. Dr. Rasolondraibe Seth, filohan’ny FPMA, nitondra ny vatsim-panahy sy nampandray ny mpiangona.

Izany fotoana izany dia nitohy tamin’ny fiaraha-misakafon’ny mpiangona rehetra tsy ankanavaka izay nifampizara tao anatin’ny firahalahiana ny vatsy nentin’ny tsirairay, ary nahafahana nanasa ihany koa ireo mpanotrona avy ao Angers.

Nisy koa ny fotoana nanaovana kilalao maro samihafa manodidina ny fahalalàna ny baiboly, narahan’ny fitsangatsanganana nanodidina ny Lac de Maine ary nofaranana tamin’ny karaoké tao anatin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Fanompoam-pivavahana manaraka any Angers

1/ Fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tarihin’i Rév. Dr. RASOLONDRAIBE Seth, Filohan’ny FPMA
• 11 ora
• Toerana : Eglise Croix de Maine (« Quartier du Lac de Maine ») – 1 Square Flora Tristan – 49000 Angers

2/ Aorian’ny fotoana, « pique-nique » :

• Toerana : Ferme de la Fontaine – 71 Avenue du Lac de Maine – 49000 Angers
• Fiarahana misakafo hifampizarana, samy mitondra izay sakafo, rano sy ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany
• Fitsangatsangnana ao amin’ny Lac de Maine